John 10

1“Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay tsy miditra ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika lalana hafa, dia mpangalatra sy mpandroba izy. 2Fa izay miditra ny vavahady kosa no mpiandry ondry tsara.

3Izy no vahan’ny mpiandry vavahady. Mandre ny feony ny ondry, ary izy miantso ny ondriny manokana amin’ny anarany ka mitondra azy mivoaka. 4Rehefa namoaka ny azy rehetra izy, dia nialoha lalana azy ireo, ary manaraka azy ny ondriny, satria mahalala ny feony.

5Ary tsy hanaraka vahiny izy ireo fa handositra azy kosa, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.” 6Jesosy nilaza izany fanoharana izany tamin’izy ireo, saingy tsy azon’izy ireo akory ireo zavatra nolazainy tamin’izy ireo.

7Dia hoy indray Jesosy tamin’izy ireo hoe: ‘’Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa Izaho no vavahadin’ondry. 8Izay rehetra tonga talohako dia mpangalatra sy mpandroba, satria tsy nihaino azy ireo ny ondry.

9Izaho no vavahady. Raha misy miditra ao amin’ny alalako, dia ho voavonjy izy; hiditra sy hivoaka izy ary hahita ny fihinanana. 10Fa ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handrava. Fa Izaho kosa avy mba hananan’izy ireo fiainana ary hanana izany be dia be.

11Izaho no mpiandry tsara. Ny mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny. 12Ny mpikarama dia tsy mpiandry ary tsy tompon’ny ondry. Raha nahita ambodia manatona izy dia handao ny ondry ka hitsoaka, ary ny ambodia misambotra sy mampiparitaka azy ireo. 13Mandositra izy satria mpikarama ka tsy miraharaha ny ondry.

14Izaho no mpiandry ondry tsara, ary fantatro ny Ahy, ary fantany Aho. 15Ny Ray mahafantatra Ahy, ary Izaho mahafantatra ny Ray, ary Izaho manolotra ny aiko ho an’ny ondry. 16Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho. Tsy maintsy ho entiko ihany koa ireny, ary izy ireo handre ny feoko mba ho tonga andiany iray ihany sy mpiandry iray.

17Izao no antony hitiavan’ny Ray Ahy: mahafoy manolotra ny aiko Aho mba handraisako izany indray. 18Tsy misy manaisotra izany amiko, fa ny tenako ihany no manolotra izany. Manana fahefana hanolotra izany Aho, ary manana fahefana haka izany indray. Izany didy izany dia azoko avy tamin’ny Raiko.”

19Nisy fizarazarana indray teo amin’ireo jiosy noho ireo teny ireo. 20Maro tamin’izy ireo no nilaza hoe: “Manana demonia Izy ary very saina. Nahoana ianareo no mihaino Azy?” 21Ny sasany nilaza hoe: “Tsy fitenin’ny olona misy demonia izany. Moa ny demonia afaka mampahiratra ny mason’ny jamba?”

22Avy eo tonga ny fetin’ny fanokanana tao Jerosalema. 23Ririnina tamin’izany, ary Jesosy nitsangana teo an-kianjan’ny tempoly teo amin’ny fialofan’i Solomona. 24Avy eo notangoronan’ ireo Jiosy Izy ary niteny taminy hoe: ‘’Mandrapaha- rahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, dia hambarao miharihary aminay.”

25Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: ‘’Efa nanambara anareo aho, fa tsy mino ianareo. Ireo asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko, ireo no manambara ny mahakasika Ahy. 26Kanefa ianareo tsy mino satria tsy mba ondriko.

27Mandre ny feoko ny ondriko; fantatro izy ireo, ary manaraka Ahy. 28Omeko azy ireo ny fiainana mandrakizay; ka tsy ho faty mandrakizay izy ireo, ary tsy hisy handrobaka azy eo am-pelantanako.

29Ny Raiko, izay nanome ireo Ahy, dia lehibe noho ny hafa rehetra, ary tsy misy mahavita mandrobaka azy ireo eo am-pelatanan’ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” 31Avy eo naka vato indray ireo Jiosy mba hitora-bato Azy.

32Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: ‘’Maro ny asa tsara nasehoko anareo avy tamin’ny Ray. Koa inona tamin’ireny asa ireny no hitorahanareo vato Ahy?‘’ 33Namaly Azy ireo Jiosy hoe: “Tsy ny asa tsara no hitorahanay vato anao, fa ny fitenenan-dratsy, satria ianao, olombelona, dia manao ny tenanao ho Andriamanitra.”

34Namaly azy ireo Jesosy hoe: “Tsy efa voasoratra ao amin’ny lalànareo ve hoe: ‘Hoy Aho hoe: “andriamanitra ianareo”’? 35Raha niantso ireny ho andriamanitra izy, dia ho an’iza izany no niavian’ny tenin’Andriamanitra (ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana), 36moa ve ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahina ho amin’izao tontolo izao no ataonareo hoe: ‘Miteny ratsy Ianao,’ noho Izaho niteny hoe: ‘Izaho no Zanak‘Andriamanitra’?

37Raha tsy manao ireo asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. 38Fa raha manao ireny Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ireo asa mba hahafantaranareo sy hahazoanareo fa ny Ray dia ato Amiko ary Izaho ao amin’ny Ray.” 39Mbola nikasa ny hisambotra Azy indray izy ireo, fa nandositra Izy.

40Dia nankany an-dafin’i Jordana indray Izy ho any amin’ilay toerana izay nanaovan’i Jaona batisa voalohany, ary nitoetra teo. 41Maro ny olona nanatona Azy ary hoy izy ireo hoe: “Jaona tsy mba nanao famantarana, fa ny zavatra rehetra nolazain’i Jaona momba io lehilahy io dia marina.” Maro ny olona nino Azy teo.

42

Copyright information for PltULB